Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Janoary 2017
ISAIA 45.20-25
20 Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy. 21 Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho. 22 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. 23 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana] 24 Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy. 25 Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
ISAIA 45.20-25
Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Andriamanitra manambara ny tenany ny Tompo . Fijoroana ho vavolombelona miezinezina ny amin’ny maha- izy azy no ataon’ Andriamanitra eto . Vavolombelona mahatoky Izy satria :
1-Andriamanitra tokana sady Mpamonjy (and21-22)
Tsy sampy Andriamanitra ary tsy mitovy amin’ny sampy ihany koa Izy . Jehovah dia Andriamanitra tokana sady tsy manam-paharoa. Ampahatsiahivina eto indray izany mba hananan’ny mpino fahatokiana fa Izy irery ihany no manana ny hery ho enti-mamonjy sy manafaka . Jesoa no endrik’ Andriamanitra tokana , nirahin’ny Ray hanatanteraka ny famonjena antsika teo amin’ny Hazo fijaliana. Mazava ny fanambaran’ny Soratra masina : « Tsy misy famonjena amin’ny hafa…izay hahazoantsika famonjena » afa-tsy ny Anaran’i Jesoa Kristy irery ihany (Asa 4.12) . Andriamanitra tokana sady Mpamonjy tokana no antsika .
2-Mahatoky amin’ny teniny Izy , hanamarinanay izay manatona Azy (and23-25)
Andriamanitra mahatoky ny Tompo , na amin’ny ataony sy ny asany na amin’ny teniny . Tsy mba miala na mivadika amin’ny teniny Izy . Efa nanaiky ny hamonjy antsika Izy ka mitaona antsika mba hanatona Azy , handraisantsika ny fanamarinana antsika . Notanterahan’i Jesoa izany fanamarinana antsika izany . Tonga marina sy natao ho marina isika ao amin’i Jesoa . Ivelan’i Jesoa dia tsy misy fanamarinana ny mpanota . Tenin’ Andriamanitra izany , ary marina sy tsy miova , satria mahatoky amin’ny teniny ny Tompo , hanamarinany izay manatona Azy‘(Kor 6.11).
Fanontaniana :
Ahoana no ahazoantsika fanamarinana maimaimpoana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM