VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Mpitsara 11.4-10
4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona. 5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba. 6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona. 7 Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana? 8 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay at? aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao. 9 Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo? 10 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Mpitsara 11.4-10

1-Mahatoky amin’ny fitiavany sy ny fifidianany Izy

2-Mahatoky amin’ny maha- vavolombelona Azy Izy

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM