Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Janoary 2017
Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Hebreo 13.7-16
7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany. 8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9 Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. 10 Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. 11 Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny. 12 Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. 13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. 14 Fa et? isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy. 15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. 16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Hebreo 13.7-16
Mitondrà tena amin’ny maha- mpino kristiana
1-Tahafo ny finoan’izay nitarika antsika :
2-Miorena amin’ny finoana noraisintsika
3-Manolora sy manomeza ho mariky ny fitiavana
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM