Vavolombelona  mahatoky ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Janoary 2017

Vavolombelona  mahatoky ny Tompo

2 Korintiana 1.17-20
17 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana? 18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia; 19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany. 20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.

Vavolombelona  mahatoky ny Tompo

2 Korintiana 1.17-20

Ny fanapariahana  ny Filazantsaran’i Kristy

 

1-Mitaona  antsika  tsy hanao kitoatoa na hisalasala

« Raha  nikasa  izany aho  , moa nanao  kitoatoa ? ». Nikasa ny handalo any Korinto indray izy ary nilaza  ny fandaharam-potoanany . Nisy olona  nanaratsy sy nanohitra azy , ka nilaza fa tsy sahy nandalo any i Paoly. Izany no nolazainy fa tsy kitoatoa ny teniny , na misy fisalasalana  sy fanelezana ny Filazantsara . Ny fisalasalana no fahavalon’ny finoana , ka tandremo .

2-Mitaona antsika hanahaka an’i Jesoa

Vavolombelona mahatoky  amin’ny fankatoavana  an’ Andriamanitra i Jesoa . Hatramin’ny fahafaresana teo amin’ny hazo fijaliana  no nanehoany  izany (Jao 4.34), satria « eny », mariky  ny fankatoavana hatrany ny Azy fa tsy mba misy « tsia » , fandavana . Ambara  eto aza ny « Amen,milaza fanatanterahana  , mba tsy ho « eny »am-bava sy eo imolotra ihany. Izany  no nataon’i Jesoa . Koa ataovy  marika alain-tahaka Izy .

3-Mitaona antsika hanahaka ireo mpitory zokintsika

I Paoly  Apostoly sy ireo  mpiara-dia taminy no horaisina ho Mpitory zokintsika . Nambarany fa nanahaka ny an’i Jesoa izay toriany izy . Tsy niroa teny izy ireo . Niezaka nankato  tahaka an’i Jesoa , teo amin’ny fitoriana , na dia niharan’ny fanenjehana aza izy . « Eny », fankatoavana hatrany no nasehony  mba ho Voninahitr’ Andriamanitra  , ka hoy  izy : »Aoka hanahaka ahy ianareo  dia tahaka ny anahafako an’i Kristy «  (1 Kor 11.1) . Fomba ahazoantsika manapariaka sy mampiely ny Filazantsara izany .

Fanontaniana :

Mety amin’ny kristiana ve ny miroa teny ? Nahoana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

……………… ……………………………………………………….