Vavolombelona azo antoka
Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Aprily 2020
2 KORINTIANA 5.12-15
2 KORINTIANA 5.12-15
12 Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho* ihany, fa tsy amin'ny fo.[*Gr. tava] 13 Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. 14 Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.Vavolombelona azo antoka
Teo amin’ny fanompoana nataon’i Paoly dia ambarany eto fa tsy manana zavatra afenina izy.
1-Vavolombelona mijoro ho modely (and12-13)
Tsy hoe: »tsy midera tena izahay » .Fa mikatsaka kosa ny hanome izay antony tokony hirehetan’ny korintiana noho ny aminy sy izay rehetra ataony .Fa izay nataony na manao ahoana na manao ahoana dia hijoroany maha-Apostoly . Zava-dehibe ho an’izay olona tarihantsika ho ao amin’ny Tompo ,araka izany ny fijoroantsika ho tena mpanompon’i Kristy (vakio 5.16) .
2-Vavolombelona teren’ny fitiavan’i Kristy (and14-15)
Mazava ny fanambarana miezinezina ataon’i Paoly eto : « ny fitiavan’i Kristy no manery anay » .Azo ambara fa sady fitiavana avy amin’i Kristy io no fitiavan’ny Apostoly an’i Kristy . Io fitiavana io dia miseho tamin’ny nahafatesan’i Kristy ho an’ny mpino rehetra satria tsy maintsy ao amin’i Kristy ny rehetra na amin’ny fiainana na aminn’y fahafatesana (vakio Rom 6.1;Gal 2.19) . Aza avela hisy zavatra hibaiko antsika afa-tsy ny fitiavan’i Kristy izay namonjy antsika ka na dia tokony ho faty aza isika dia novelominy (vakio Rom 5.8).
Fanontaniana:
Afaka manantena anao ho vavolombelony ve ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM