Vavolombelon’ ny  fitiavany  ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Desambra 2017

Vavolombelon' ny  fitiavany  ny Tompo 

Isaia 60.10-17
10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao, 11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao. 12 Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa. 13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro. 14 Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely. 15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby. 16 Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao. 17 Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]

Vavolombelon’ ny  fitiavany  ny Tompo 

Isaia 60.10-17

Ny vokatry   ny famindrampo  sy
ny fitiavan’ Andriamanitra 

1-Hampidirina  ho ao aminao  ny haren’ny firenena  sy ny mpanjakany  izay voababo  (Isaia 60.1)

Efa voasoratra  fa : »An’i Jehovah ny tany   sy izay   rehetra  ao Aminy   » . Efa  nampanantena  fandresena  ny Mpamonjy .. Hoy izy  hoe: « Matokia , izaho efa naharesy  izao tontolo izao ». Tsy  vitan’izany ihany  fa« manoatra  noho  ny mpandresy isika » (Rom 8.37) . Afaka  misitrika  ireo  fitahiana sy fahasoavana  omen’ny Tompo ireo isika . Ny  fepetra  omeny  dia mazava  : katsaho   aloha  ny fanjakany  sy ny fahamarinany .

2-Ny fiadanana  no hataoko  fanapahana  anao  , ary fahamarinana  no ho mpampiasa anao (Isa 60.17)

Ny teny  hoe: « fiadanana »  dia iray tarika  amin’ny hoe: « fandriampahalemana ». NY olona  miaina  amin’ny fiadanana  dia lavitry  ny fanahiana . Milamina  ny fifandraisany  amin’ny manodidina  . Vita fihavanana amin’ny Tompo  izy. Ny andininy  faha 14 aza  dia  maneho  fa  « handeha  hiondrika  eo anatrehanao  izay nampahory  sy nanamavo  anao » . Fandresena  miezinezina izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM