Vavaka nataon’i Jeremia rehefa avy nankato ny baikon’ Andriamanitra ny hividianany ny tanin’ny rahalahin-drainy izy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Jona 2025
(Sal 138. 1-8 / Hira 36: 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1)
Jeremia 32. 16-25
16 Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe: 17 Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. 18 Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany, 19 lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany, 20 dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao. 21 Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, 22 ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely. 23 Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao. 24 Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany. 25 Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna.Ny mofonainantsika dia vavaka nataon’i Jeremia rehefa avy nankato ny baikon’ Andriamanitra ny hividianany ny tanin’ny rahalahin-drainy izy. Azontsika takarina avy amin’io vavaka io fa:
1. Tsitoha Andriamanitra (and 17, 18)
<< Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. » hoy ny fivavak’i Jeremia. Azontsika tarafina avy amin’izany fa tena miaiky ny maha Tsitoha an’Andriamanitra ny mpaminany: amin’ny toerana rehetra, mahay ny zavatra rehetra ary mahalala ny zavatra rehetra ka mahatonga Azy naniraka an’i Jeremia hividy ny tanin’ny rahalahin-drainy ho enti-mananatra ny vahoakany mikiry biby amin’ny fahotana.
2. Mamonjy Andriamanitra (and 19-22)
<< Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta… » hoy i Jeremia, mamerina mampahatsiaro ny fomba nanavotan’Andriamanitra ny Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Asehony miharihary fa tena mamonjy ny olona mibaboka sy mitaraina Andriamanitra (Eks 3. 7), ka anehoany ny heriny sy ny fitiavany ny famonjena. Efa nomena anao Jesoa hamonjy (Jao 3. 16). Ho anao indrindra izany! Mba tsapanao ve ?
3. Mikapoka Andriamanitra (and 23-25)
<<Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy…ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao. ». Misongadina eto kosa, fa rehefa niala nenina Andriamanitra kanefa tsy henoina sady tsy ankatoavina dia mikapoka sy manafay, ary dia tonga ny fahababoana. Nahoana moa no dia manamafy hatoka sy minia tsy mankato e? Hiandry kapoka mahamay ve vao hibebaka?
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona ho be faniasia?
Sampana Sekoly Alahady Foibe