Vavaka fototry ny fahombiazana

Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Jona 2024

1 Sam. 7.2-14

1 Samoela 7,2 - 14
2 [Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah] 3 Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy. 4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany. 5 Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho. 6 Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa. 7 Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina. 8 Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina. 9 Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah. 10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy. 11 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara. 12 Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera*; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena] 13 Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela. 14 Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.

1 Sam. 7.2-14

Vavaka fototry ny fahombiazana!

Nalahelo an’i Jehovah ny olona noho ny fiaran’ny fanekena lasan’ny Filistina (vakio toko 5 sy 6). Tsapan’i Samoela izany koa niantso ny Zanak’i Israely izy mba ho vonona handray izany ka hiroso amin’ny

1- Fibebahana marina:

Miantso ny olona i Samoela mba tena hiverina marina amin’Andriamanitra. «ampiomano ny fonareo ho an’i Jehovah >> hoy izy (and.3). Ho fanatanterahana izany dia ireto no atao: ariana ny andriamani-kafa. Dia indro fa narian’ny olona ny sampiny ka Jehovah irery по notompoiny (and.4). Ny fibebahana dia tsy fialàna amin’ny ratsy fotsiny ihany fa fandraisana fanapahan-kevitra hanompo an’i Jehovah.

2- Mifikitra Aminy irery :

Vao vita ny fanapahan-kevitra hiverina amin’i Jehovah dia tonga ny fitsapana. Tonga nanafika azy ireo ny Filistina. Vahaolana hitan’izy ireo dia ny fametrahana ny adiny amin’i Jehovah. (and.7-10). Ny fivavahana sy ny fitalahoana nataon’ny Zanak’ Israely eto no nitondra azy ho amin’ny fandresena. Ary hitantsika eto fa Andriamanitra mihitsy no nandray anjara mivantana tamin’ny adiny. Mampatsiahy antsika ny Eks 14,14.

Fanontaniana:

Inona avy ireo sampy efa nafoinao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe