Tsy voafetran’ny lalàn’izao tontolo izao ny herin’ny Tenin’Andriamanitra (and36b)

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Febroary 2023

MARKA 5.35-43

MARKA 5.35-43
35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? 36 Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia] 37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38 Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. 39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy. 41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. 42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona. 43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

Tsy voafetran’ny lalàn’izao tontolo izao ny herin’ny Tenin’Andriamanitra (and36b)

« Aza matahotra, minoa fotsiny ihany » . Mino fotsiny fa tsy maty io olona io , izay no tian’i Jesoa ambara . Olona efa maty ,saingy vitan’i Jesoa ny namerina ny ainy . Ny herin’ny tenin’i Jesoa no namelona indray ilay zazavavy .Tena mahery ny Tompo . Ny Teniny fotsiny dia efa mahavita izay tsy vitan’ny olombelona manam-pahaizana rehetra teto ambonin’ny tany hatrizay . Ny lalàn’izao tontolo izao dia mandiso ny momba ny famerenana aina amin’ny maty toy izao ataon’i Jesoa izao . Amin’ireo manam-pahaizana ara-tsiansa eto amin’izao tontolo izao dia mahalala tsara ny tao hoe : fifandrihozim-panazavana na ny « déterminisme » ka ny anton-javatra mitovy dia miteraka mandrakariva zavatra mitovy ao anatina fepetra mitovy. Eken’ny siantifika rehetra izany . Eto anefa dia toherin’i Jesoa tanteraka izany. Mangina sy mitampim-bava araka izany ny manam-pahaizana manoloana ny herin’ny teniny . Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Genesisy 18.14 « fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? » . Feno zava-mahagaga ny asan’Andriamanitra ka tsy azo terena hanaraka izay lalàna apetraky ny fahaizan’olombelona .Manambara izany ny ambaran’ny mpanao Salamo 105.5 « tsarovy ny asa mahagaga izay nataony dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany ». Izany no maneho ny maha-Andriamanitra Azy , ary ny teniny dia misy fahefana tsy hay tohaina izay mampikoy ny fahavalony rehetra . Mahery ny Tenin’Andriamanitra , lehibe sy mahatalanjona ny asany . Sambatra isika olony.

Fanontaniana :

Tena mino tokoa ve isika fa manana fahefana tsy hay tohaina toy izany i Jesoa Kristy Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM