Tsy vitan’ny hafanampo ny fanarahana an’i Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Septambra 2023

LIOKA 9.57-62

LIOKA 9.57-62
57 Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao. 58 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo* manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa] 59 Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. 60 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. 62 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

1-Tsy vitan’ny hafanampo ny fanarahana an’i Jesoa

Nisy olona nilaza tamin’i Jesoa hoe : « hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao« . Hita fa tsy nafenin’i Jesoa azy velively anefa ny zava-misy momba Azy eo anatrehan’izany faniriana hanaraka Azy izany . Marihana fa tsy mitovy amin’ny fampianaran’i Matio sy Marka ny an’i Lioka momba an’i Jesoa satria eto izao dia miteny i Lioka hoe : i Jesoa anie ka tsy manana trano itoeran’ny lohany sy hialany sasatra akory . Noho izany , na iza na iza maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mivonona tsara hihafy tahaka Azy koa. Ny ambara amin’ilay hoe : manaraka Azy koa anefa dia tsy hoe : mandehandeha manaraka Azy any amin’izay alehany rehetra eny fotsiny no dikany , tsia ! fa mandeha mitory ny Filazantsara tahaka ny nataony .Amin’ny teny hafa dia tsy afenin’i Jesoa fa izay maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mandà ny tenany sy ny filan’ny tany rehetra izay mety mamatotra azy .

2-Mila mandao izay rehetra mamatotra koa izany

Rehefa niantso olona hafa indray iJesoa dia mbola niala tsiny izy ireo fa tsy afaka ny hamaly izany avy hatrany , ny iray handevina ny rainy hono , ny faharoa kosa mbola hanao veloma ny ao an-tranony. Amin’ny lafiny iray dia endriky ny fandavana ny antso ataon’ny olona izany, fa noho ny henamaso na zavatra hafa dia mody tsy maneho fandavana mivantana fotsiny ny olona.Mety hihevitra ny hanaraka koa anefa izy ,saingy mbola ampandeferiny aloha izany antso izany . Eo anatrehan’izany dia mamaly mivantana sy mahitsy avy hatrany i Jesoa fa ny antson’ny Tompo no tokony ataon’ny olona vaindohan-draharaha .

Fanontaniana :

Azo ampandeferina manoloana ny filan’ny olona ve ny antson’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM