Tsy te hamela anao ho faty ny Tompo ka maniraka ny mpanompony:

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Martsa 2024

Asan'ny Apostoly 3. 22-26

Asan'ny Apostoly 3. 22-26
22 Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo. 23 Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19). 24 Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. 25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18). 26 Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [*Na: ny Zanany]

Tsy te hamela anao ho faty ny Tompo ka maniraka ny mpanompony:

1. Hohenoinao (and 22-24)

Niteraka ady hevitra teo amin’ny Jiosy ny nahasitranan’i Petera an’ilay lehilahy narary tongotra. Nazavainy tsara fa ny Anaran’i Jesoa no nanasitranany ity lehilahy ity. Jesoa izay nohombon’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana. Dia nanazava izany eto i Petera araka izay efa voalazan’i Mosesy fa izay tsy mihaino Azy dia haringana (Deo 18.15- 19). Mpanompo maro ihany koa no efa nirahin’Andriamanitra ety amintsika mba hitarika antsika amin’ny fahamarinany. Koa aza manampin-tsofina intsony fa mbola tia antsika ny Tompo matoa mbola miteny amintsika. (vakio Jao. 5. 24)

2. Hanampy anao (and.25-26)

Mazava ny antony nanirahin’ Andriamanitra ny zanany, araka izay ambaran’i Petera eto: « nanirahany Azy mba hitahy anareo, dia ny hampiala anareo tsirairay avy amin’ny asa ratsinareo. » (and.26 DIEM). Ilaintsika ny fanampiana raha te hiala amin’ny faharatsiana isika fa tsy vitan’ny hery kely hananantsika izany. Izany no nanirahany ny Zanany mba hamonjy antsika sy hanafaka antsika ka nilazan’i Jesoa hoe: « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. » (Jaona 8.36).

Fanontaniana:

Inona avy ireo tombontsoa azonao tamin’ny famakianaony Baiboly?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena ...

Zoma, 15 Martsa 2024

Tsy tafiditra ao anatin’ny fanekena vaovao ny fitandremana ny lalàna satria: 1. Tsy afaka manafoana…

Ny olon’ Andriamanitra mihazona ny f...

Alakamisy, 14 Martsa 2024

Ny olon’ Andriamanitra mihazona ny fanekeny Aminy dia manantanteraka ny fifanekena Mandrakariva, ry havana, Andriamanitra…

Hazonin’ny Tompo hatrany ny fanekeny...

Alarobia, 13 Martsa 2024

Hazonin’ny Tompo hatrany ny fanekeny na dia tsy mahatoky aza ny olony. I Ezekiela dia…