Tsy ny fanarahana bontolo ny lalàna (and 13)
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Martsa 2023
ROMANA 4.13-22
ROMANA 4.13-22
13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany.1-Tsy ny fanarahana bontolo ny lalàna (and 13)
« fa tsy ny lalàna fa ny fahamarinana amin’ny finoana … » ,hoy i Paoly manazava eto . Asongadiny amin’izany fa tsy ny fanarahana antsipirihany sy ara-bakiteny izay voalazan’ny lalàna akory no inona .Tsy midika koa anefa izany hoe : tsy ilaina ny lalàna , fa tsy ny lalàna akory no mahavonjy ary tsy ny lalana akory no Tompo . Efa nahavoa ny Fariseo tamin’ny andron’iJesoa io fianteherana amin’ny lalàna io ka zary lasa fisehosehoana ivelany sy fombafomba fotsiny ihany sisa ny fivavahany . Efa nitenenan’i Jesoa mafy ny Fariseo izany .Taomina kosa isika tsy halaim-panahy hanahaka ny Fariseo ka ny fombafomba sy tarazo samihafa indray no atao ho zava-dehibe sy itompoana teny fantatra .
2-Ny finoana ny Tenin’Andriamanitra (and18,19)
« Ary na dia efa tsy nisy nanantenana intsony aza dia nanantena ihany izy ka nino mba ho rain’ny firenena maro... » .Miharihary eto fa ny tena sarobidy dia finoana ,tahaka ny an’ i Abrahama . Raha ny maha-olombelona azy no jerena dia toa mampanantena poakaty Andriamanitra na manao resaka tiana hateza ,satria lahy antitra efa ho zato taona sy vehivavy momba i Abrahama sy Saraha, saingy tsy nampisalasala an’i Abrahama na dia kely monja aza ny fampanantenan’Andriamanitra , satria nino izy fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah . Taomina koa ianao hino sy hatoky tsy am-pisalasalana ny Tenin’Andriamanitra ho anao , fa io fisalasalana io no nampilentika an’i Petera rehefa nasain’iJesoa handeha tambonin’ny rano izy ( Mat 14.30 )
Fanontaniana :
Finoana manao ahoana izao no fahatsapanao ny finoanao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM