Tsy nanavaka antsika Andriamanitra (and13)
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Novambra 2020
1 KORINTIANA 12.9-21
1 KORINTIANA 12.9-21
9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] 11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. 12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika] 14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. 15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,- koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana? 18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony. 19 Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? 20 Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany. 21 Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.Tsy nanavaka antsika Andriamanitra (and13)
1-Nataony ho tena iray Aminy
« Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray » . Tonga vatana iray amin’i Jesoa ny mpino natao batisa ka tsy misy hafa fa tenan’i Kristy .Amin’izany dia samy misitra-boninahitra amin’ny Tompo avokoa fa tsy misy hafa’ . « Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena , fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena « (and 26).Raha izany dia azontsika antoka fa ny famonjena izay ilaintsika sy tadiavintsika dia efa fantatry ny Tompo rahateo satria tena iray Aminy isika . Vakio Jaona 11.35
2-Ka tsy tokony hanava-tena
Mitovy avokoa fa samy momba ny tena na dia samy hafa aza ny aza . Dia toy izany ny fijerin’ny Tompo antsika rehetra eo anoloany satria vatana iray Aminy, saingy isika no manava-tena manoloana ny andraikintsika . Raha ity fanazavan’i Paoly eto no jerena dia fialantsika tsy ho isan’ny tenan’i Kristy no fanavahantsika ny tenantsika (Rom12.5) . Miara-misitraka ny voninahitra sy ny famonjena isika . Ny fanavakavahana izany dia tena fitetehana sy fandrasana ny tenan’i Kristy , ka tena fahotana teo anatrehan’ny Tompo . Ny Andriamanitra Telo izay Iray ivavahantsika dia miasa anatin’ny fahasamihafan’ny andraikitra ; kanefa tsy mampiova ny maha-Andriamanitra tokana Azy izany . Ny Ray Mpahary , ny Zanaka Mpamonjy , ny Fanahy Mpanavao. Samy manao ny asany ireo , nefa dia Andriamanitra tokana ihany (jereo Jaona 10.30 )
Fanontaniana :
Mbola mahatsiaro manana fiombonana amin’ny Tompo ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM