Tsy misy tsara ohatran’ny ao amin’ny Tompo ihany
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Novambra 2024
Mpitsara 10. 11-16
Mpitsara 10. 11-16
11 Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho? 12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany. 13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony. 14 Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo. 15 Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio. 16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.Tsy misy tsara ohatran’ny ao amin’ny Tompo ihany
1. Satria Satana rehefa mahazo ny olona dia mampahory ihany no hainy (and 14)
Ny namoizan’ny Zanak’i Isiraely an’i Jehovah Andriamaniny dia noho ny nanompoany ny sampin’ireo Filistina sy ny Amonita ihany. Ary tsy ireo ihany fa mbola misy ny andriamanitry ny kananita sy ny Siriana ary ny andriamanitry ny Moabita. Izao izy anefa tsy nahita fahasambarana akory tamin’ny fivavahan’ireo andriamanitra kely nivavahany ireo, fa vao mainka aza nampahoriany, nandritra ny valo ambinifolo taona. Ao amin’ i Jesoa ihany no misy an’izany satria Izy no Andrian’ny fiadanana araka ny ambaran’ny Isaia 9.5.
2. Satria na dia tofoka aza Izy dia mbola mamindra fo ihany rehefa tena tapa-kevitra tanteraka hanary ny sampy ny olona (and 16)
Hita teto fa tena tofoka Jehovah tamin’ny fampirafesan’ny Zanak’i Isiraely Azy. Tsapany tsara fa mijaly ireo, saingy tsy mamonjy mihintsy Izy rehefa mbola manana andriamani-kafa ireto olony ireto. Mazava izany satria tsy azo afangaro amin’ny hafa Izy. Rehefa tapa-kevitra kosa anefa ny olona ny hanary ny sampiny dia tsy mahatsindry ny fanahiny Izy. Ry havana, raha tsapantsika fa mahantra loatra isika noho ny ataon’ny devoly, mila miala amin’ny faharatsiana aloha, ao anatin’izany ny sampy tehirizintsika, tsy midina mamonjy mihintsy ny Tompo raha tsy miala aloha ny ratsy, ary tsy ny hafa no manala an’io fa isika ilay manao ilay faharatsiana mihintsy.
Fanontaniana
Tsapanao fa tena tsara tokoa ve ny maha ao amin’ny Tompo anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe