Tsy misaraka amin’ny mpianatry ny Tompo ny Fanahy Masina : mitarika , miteny aminy , mitaiza, manefy azy ireo Izy mba tsy hikatsaka afa-tsy ireto :
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 21.1-14
1 [Ary nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara; 2 ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha. 3 Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo. 4 Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. 5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka; 6 ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody. 7 Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro. 8 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay. 9 Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany. 10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. 11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy. 12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. 13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo. 14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.Tsy misaraka amin’ny
mpianatry ny Tompo
ny Fanahy Masina : mitarika
, miteny aminy , mitaiza, manefy azy
ireo Izy mba tsy
hikatsaka afa-tsy ireto :
1-Ny hisehoan’ny Voninahitr’ Andriamanitra (and13)
Ny Fanahy Masina mihitsy
no niteny tamin’i Paoly, tamin’ny
alalan’i Agabo mpaminany, fa hifatorana ary hatolotra ny Jentilisa izy rehefa tonga any Jerosalema (and10-11).
Tsy nampihemotra an’i Paoly
izany , hoy izy : « Nahoana ianareo no mitomany
ka mampangorakoraka ny foko ?
Fa vonona aho tsy ny hafatotra
ihany fa ny ho faty
any Jerosalema koa aza mba ho Voninahitry ny Anaran’ny Tompo » (and13).
2-Ny hahatanterahan’ny
sitrapon’ Andriamanitra
Endrey ny asan’ny Fanahy Masina . I Paoly aloha no resy lahatra haneho ny voninahitr’i Jesoa . Fa rehefa kelikely
teo , dia nanaraka ihany ny mpianatra ka namela ny hahatanterahan’ny
sitrapon’ Andriamanitra . Mifarana ny adihevitra sy ny fandresen-dahatra ,
rehefa ny sitrapon’ Andriamanitra no resahina . Koa ambarao sy ampianaro any amin’ny toerana rehetra be adihevitra
ny sitrapon’ Andriamanitra mba
hifaranan’ny ady . Ny asan’ny Fanahy
Masina anefa no mahatanteraka izany , fa
tsy ny olona rehetra mahalala ny
sitrapon’ny Tompo no manaraka izany . Mampianatra antsika hiankina amin’ny fitarihan’ny Fanahy
Masina izany .
« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra » Boky faha- 8