Tsy manilika na iza na iza i Jesoa (and5,6)

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Martsa 2023

JAONA 4.1-26

JAONA 4.1-26
1 Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona 2 (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), 3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. 4 Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy. 5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany. 6 Ary teo ilay fantsakan*'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana* Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina. [*Gr. loharano; sahala amin'ny teny ao amin'ny and. 14] 7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko. 8 (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina) 9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.) 10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. 11 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? 12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto? 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; 14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. 15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. 16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa at? . 17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. 25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.

1-Tsy manilika na iza na iza i Jesoa (and5,6)

Tamin’ny andron’i Jesoa dia tsy mifankahazo ary sakay sy maso mihitsy aza ny Jiosy sy ny Samaritana .Tantarain’i Jaona anefa eto fa mijanona tao amin’ny tanànan’i Samaritana i Jesoa mba hanehoana fa tsy manavaka na iza na iza izy ary tsy natao ho ana sokajin’olona manokana ihany (Jiosy) ny famonjena fa ho an’izay rehetra mino .Mitaona antsika ihany koa izany mba tsy hanava-tena na hihevi-tena fa isika ihany no mendrika na tokony hahazo ny famonjena ,fa hanana fo tahaka an’i Jesoa koa , ka hanatona ny Jentilisa aza, hampihaona azy ireny amin’i Jesoa mba tsy hisy ho very na iray aza (Jao 3.16)

2-Manitsy am-pitiavana be i Jesoa (and17-18)

Mahavariana ny fomba nentin’i Jesoa naneho tamin’ity vehivavy ity fa misy fanamboarana tokony hatao amin’ny fiainany .Tsy fanamelohana na fitoraham-bato no nataon’ny Tompo fa teny nampiasaina nefa tsy manafitohina ihany koa . Isika rehetra no andeha hianatra fahaiza-mitsitsy amin’i Jesoa mba tsy hampihemotra ny hafa fa hitaona azy ireny hahatsiaro tena sy hampibebaka aza ny teny ataontsika .

3-Maneho ny fahamarinana i Jesoa (and 26)

Tsy am-pihambahambana no nilazan’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity fa Izy tenany no MESIA , izany hoe : taomin’i Jesoa mba hino Azy sy hahalala ny làlam-pamonjena ny Samaritana . Natoron’i Jesoa koa fa efa tanteraka izay voalazan’ny Soratra Masina .

Fanontaniana :

Ahoana no hampiharantsika ny hafatra anio ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM