TSY MANARY NY OLONY ANDRIAMANITRA SATRIA:
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Jolay 2021
Isaia : 4 1. 1-13
Isaia 41,1 - 13
1 [Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana. 2 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra*, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy] 3 Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony. 4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy. 5 Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga. 6 Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia. 7 Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona. 8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako, 9 Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.TSY MANARY NY OLONY ANDRIAMANITRA SATRIA:
1-Azy ny olony (and 1b)
“Efa niantso anaranao Aho, Ahy ianao”. Asehon’ Andriamanitra eto fa Izy no Tompon’ny olony. Izy no nahary azy . Izy no namorona azy . Ny dikan’ny hoe :“niantso ny anaranao “ dia hoe : mahalala anao tsara Aho , izany hoe : izay mahasoa anao dia fantatr’Andriamanitra, ny momba anao manontolo dia hainy , izay ilainao rehetra tsy miafina Aminy .
2- Tiany ny olony
“Satria malala eo imasoko ianao ,eny be voninahitra sady tiako …”.Fanehonehoam-pitiavana, fitoriam-pitiavana tsy manam-paharoa ity ka mihasinkasina eo fa akaiky ny fon’Andriamanitra ny olony , maha saro-piaro Azy, manan-danja sy sarobidy eo imasony, ka na dia kapohiny aza dia ampanantenainy fa tsy maintsy vonjeny. Tsy miova izany fitiavan’Andriamanitra izany . Porofon’izany ny fanomezany an’i Jesoa, ho faty ho famonjena ny olony (Jao 3.16). Ianao koa aza kivy intsony, mitrakà fa tia anao loatra ny Andriamanitrao ! Tsy misy tia anao tahaka ny itiavany anao !
3- Arovany sy vonjeny ny olony
« Ary tsy misy maharombaka amin’ny tanako« . Asehon’Andriamanitra eto fa ny heriny sy ny fahefany ary ny maha- Izy azy manontolo dia entin’Andriamanitra miaro ny mpanompony, ka tsy misy avelany hamiravira azy fa Izy Andriamanitra hamonjy ny olony , hiditra an-tsehatra hanafaka ny vahoakany Izy. Ianao koa, matokia fa na mafy toy inona aza no atrehinao, anehoan’Andriamanitra ny maha- Andriamanitra mahery Azy ka vonjeny. Izany rahateo no nahatongavan’i Jesoa : hamonjy ny olona.
Fanontaniana :
Hatraiza ny fahazoanao antoka fa tsy manary anao mihitsy Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM