Tsy manao an-kinafinafina Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Janoary 2021
JEREMIA 4.22-28
JEREMIA 4.22-28
22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany. 23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy; 24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona; 25 Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra; 26 Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra* aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.[Na: karmela] 27 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy. 28 Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.Tsy manao an-kinafinafina Andriamanitra
1-Fa lazainy mazava ny fahadalan’ny olony (and 22)
« fa adala ny oloko . Izaho tsy fantany , zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana . Raha ny hanao ratsy dia hendry izy . Fa ny hanao soa kosa tsy fantany » . Asehon’Andriamanitra miharihary eto fa adala ny olony ary variana miaina amin’ny fiainan-dratsy , ka sady manadino Azy . Andriamanitra no mampahory ny mpaminany nirahiny rahateo , tsy mifanao soa fa mifambotry sy mifanambaka . Toetran’i Jesoa ihany io miteny mahitsy fa tsy mihatsaravelatsihy io , ka nahasahiany niteny ny Fariseo hoe : « Lozanareo Fariseo sy mpanora-dalàna mpihatsaravelatsihy » (Mat 23.13)
2-Fa ambarany mazava ny kapoka hataony ( and 27,28)
« Fa izao no lazain’i jehovah : ho lao ny tany rehetra …noho izany dia hisaona ny tany , ary ho tonga mainty ny lanitra ambony , satria efa niteny izany Aho , sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany «
Eo anoloan’ny antso fibebahana ataon’Andriamanitra , dia efa arangarangany koa fa rehefa tsy tonga saina sy tsy mety mibebaka ny olona fa minia mitohy amin’ny fahadalany ihany dia hikapoka tokoa Andriamanitra, ary kapoka mandrivorivo no hataony fa sady mihatra amin’ny tany « ho lao » no mahatratra ny olona ho babo . Na dia izany aza anefa dia mbola miharihary eto koa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony , ka mamelona fanantenana raha milaza izy hoe : » … nefa tsy dia holevoniko avokoa izy » (and 27b) . I Jesoa koa tamin’ny toriteny nataony dia efa nampiomana ny olona , fa faharinganana no anjaran’izay tsy mibebaka (Lio 13.5). Ianao ko, hiandry kapoka ve voa hibebaka?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM