Tsy manan-draharaha amin’ny fahotana ny vita batisa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Septambra 2021

ROMANA 6.1-7

ROMANA 6.1-7
1 [Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena] 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.

Tsy manan-draharaha amin’ny fahotana ny vita batisa

Ny fotom-pampianaran’iPaoly momba ny fanamarinana maimaimpoana ny mino dia azo lazaina fa arakaraky ny fialan’ny fahotana no tsy maintsy hisiana sy hanamafisn’ny fahasoavana koa izay hiasa sy hanasoa ny mino . Raha izany àry, tokony mety izany ny miaina hatrany ao anatin’ny fahotana ? Tsia avy hatrany no valiny . Tsy azo ekena mihitsy izany , araka ny fampianaran’i Paoly .Nilaza mantsy izy fa miainga amin’ny fifandraisan’ny mpino amin’i Kristy amin’ny alalan’ny batisa izay nampiasana ireto fihetsika telo ireto mba hantanterahana izany :

1-Ny fanitrihana anaty rano

2-Ny fiarahana nilevina tamin’i Jesoa tao anaty rano izany hoe: efa maty ao anaty rano ny olona

3-Kanefa afaka natsangana amin’ny maty niaraka taminy indray kosa

Araka izany ny fanaovana batisa dia mariky ny fiarahana maty taminy mihitsy , izany hoe : na iza na iza olona efa natao batisa dia efa nanaiky ho faty amin’ny fahotany , ka tsy manana anjara amin’ny fahotana intsony izy . Efa maty niaraka tamin’ny nandevenana Azy mantsy izany , nefa koa tsy mijanona eo fotsiny fa manana anjara amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty indray koa ka omeny izay nanaiky niara-maty taminy . Tsy mety intsony araka izany ny mivelona ao amin’ny fahotana indray , satria efa novonoina tamin’ny alalan’i Jesoa tamin’ny nahafatesany izany ho an’izay rehetra efa natao batisa .

Fanontaniana :

Mitondra inona ho an’ny mpino ny fanaovam-batisa azy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM