Tsy maintsy tanteraka ny Teny fampanantenana

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Febroary 2022

Genesisy 17. 15 — 22

Genesisy 17. 15 — 22
15 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.

Tsy maintsy tanteraka ny Teny fampanantenana

1- Manamafy ny Teniny Andriamanitra

Gen 17 no nanamafisan’Andriamanitra ny fanekena tamin’ i Abrama. Ho fanamafisana izany dia novan’Andriamanitra ny anaran’izy mivady, anarana mifanaraka amin‘ny fikasan’Andriamanitra ho amin’ny fiainany. Novana ho Saraha ny anarana hoe : Saray. Saraha midika hoe «andriam-bavy » na koa hoe «zanak’andriana ». Ny anarany hoe: Saraha dia mifamatotra amin’ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama fa ho tonga firenena lehibe izy. Midika izany fa hanana taranaka maro i Abrahama sy Saraha, avy amin’ny taranany dia hisy mpanjaka maro (and. 16).

2- Manana ny fandaminana hitondra ny olona Izy

Nisalasala ny amin’ny fanambaran’Andriamanitra i Abrahama. Efa antitra izy mivady, amin’ny maha-olombelona dia niangavy an’Andriamanitra izy mba amin’ny alalan’i Ismaela no hahatanterahan’izany (and.18). Mitana ny teny nataony Andriamanitra, manana ny fandaminana manokana ho an’ny fiainan’ny olona tsirairay Izy. Hafa ny làlana hitondrany ny fiainan’i Ismaela. Mihoatra lavitra noho izany ny hitondrany izay zanaka aterak’i Abrahama sy Saraha, nolazain’ Andriamanitra fa Isaka no hatao anarany. Tanterahin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’i Isaka ny teny fampanantenany, Mitaona antsika mba hanaiky mandrakariva izay fandaminana hitondran’Andriamanitra ny fiainantsika.

Fanontaniana :
Nahoana no novan‘Andriamanitra ny anaran ‘ireo olom-boafidiny?

Sampana Sekoly lahady FOIBE FJKM