Tsy maintsy hotanterahiny ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Febroary 2022
EZEKIELA 12 21-28
EZEKIELA 12 21-28
21 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 22 Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? 23 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra. 24 Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely. 25 Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo. 26 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 27 Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny. 28 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.Tsy maintsy hotanterahiny ny Tenin’Andriamanitra
1-Manana ny fotoana voatendriny Izy
Mazava tsara ny antso nampitondrain’Andriamanitra ny mpaminany ho an’ny olona mandà ny fahitana : tsy tokony hatao fiteny ao amin’Israely intsony ny hoe : « tsinotsinona ny fahitana rehetra…mbola ela izany fahitana izany … »(and 22,27). Manana fotoana voatendriny hantanterahana ny Teniny Andriamanitra .Voalaza mazava tsara eto ny hoe : « Efa akaiky izany fotoana izany » (and23) . Manana ny fotoanany amin’ny fanatanterahana ny teniny eo amin’ny fiainanao ny Tompo . Minoa , matokia izay nambarany.
2-Marina sy mahatoky Izy
Ambaran’ny mpaminany fa marina sy mahatoky Andriamanitra ka tsy miova amin’ny teny nambarany (and25).Tsy maintsy ho tanteraka ny teniny , hiharihary eo imason’ny olona rehetra izany . Tsy araka ny fihevitry ny olona (and27) ny fihevitr’Andriamanitra , tsy miandry ela ny fanatanterahany izany (and28).Mitaona antsika mpino kristiana hatrany fa marina ny Andriamanitra ivavahantsika. Marina Izy ka tsy miova amin’ny Teniny . Matokia fa hotanterahany aminao izany teny fampanantenana efa nambarany izany .Mazotoa mihaino sy mandray ny Tenin’Andriaanitra.
Fanontaniana :
Zarao amin’ny hafa ny fahatsapanao fa no tanterahan’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ny Teniny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM