Tsy maintsy ho tanteraka izay reheira nambaran’ny Teny;

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Aprily 2025

(Sal 119.73-80/Hira 2.1.3/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira334)

Lioka 24.44-49
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.

Tamin’ny fotoana niarahan’i Jesoa Kristy niaina tamin’ny mpianany tety ambonin’ny tany dia mbola tsy voasoratra tahaka izao ananantsika izao ny boky mirakitra ny Filazantsara. Ny boky ao amin’ny Testamenta Taloha ihany no mbola nananan’ny olona tamin’izany, ary io no tondroina eto amin’ny hoc: « ny lalan’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo » Mananafy eto i Jesoa fa misy teny faminaniana milaza ny momba Azy, voasoratra ao anatin ireo boky ireo, ka izay rehetra namaky ny teny dia tokony hahafantatra izany avokoa. Mety mamaky tokoa ny olona fa tsy mahafantatra izay tiana hambara marina, Ny antony dia satria tsy azony, na tsy inoany velively izay voalaza ao. Izany no nanokafan’i Jesoa ny sain’izy treo mba hahalala marina izay ambaran’ny Soratra Masina.

Nabaribarin’i Jesoa tamin’izy irco åry fa « hiaritra » Izy; izany hoc hampijaliana ka hijaly mihitsy, satria voasoratra ho amin’izany Izy Tsy hijanona ho amin’izay founa anefa, fa nambarany eto fa hitsangana amin’ny maty koa Izy. Raha ny marina, dia tsy vaovao amin’ny olona akory izany satria sady efa voalazan’ny Soratra Masina rahatco, ary koa efa nolazain’i Jesoa tamin’ny mpanara-dia Azy saingy tsy inoany Hotorina amin’ny Anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Tena misy antony ny niaretany izany fahoriana tsy roa aman-tany izany fa tsy nataotao fotsiny akory, dia ny mba hitondrany fanavotana sy famonjena ho an’ny olona mpanota, izay miziky ny fahotany ka mibebaka sy manaiky hiala amin’ny faharatsiany (cf Heb 9. 22).

Mino ve ianao fa tsy maintsy hotanteraka izay ambaran’ny Soratra Masina?