Tsy mahafoy ny mpanompony Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Janoary 2023

ISAIA 44.21-23

ISAIA 44.21-23
21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô, 22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. 23 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.

Tsy mahafoy ny mpanompony Andriamanitra

Miantefa amin’ny firenena izay nofidin’Andriamanitra ny hafatra .Tsy ho an’Israely ihany fa ho antsika fiangonana koa:

1- Tsy manadino antsika Izy (and 21)

Andriamanitra velona Izy ka miasa amin’ny fotoana rehetra na tamin’ny lasa na ankehitriny na amin’ny ho avy . Ny zavatra rehetra miseho eo amin’ny firenena dia mitaiza mba hahalalana Azy sy hahitana ny Voninahiny .Ao anatin’ny fahoriana izay mihatra indrindra no ampahatsiahiviny fa Izy no mpamorona antsika. Izy no namolavola antsika mba hanompo Azy .Tsy manadino na mahafoy antsika Izy .Hoy ny Teniny : « Noforoniko ianao ho mpanompoko , tsy hohadinoiko ianao ry Israery o »

2-Mamela heloka Izy (and22)

Mety hisy ihany ny fahoriana mihatra amin’ny mpanompony izay natao ho fizahan-toetra. Fa misy koa ny toy izay nanjo ny Israely : noho ny fiodinany tamin’Andriamanitra no niteraka ny fahavoazany . Navelan’Andriamanitra hitranga avokoa anefa izany rehetra izany mba hanehoany ny halehiben’ny famindrampony amintsika . Tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Izy ka hoy indray ny teniny : «  Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona ary ny fahotanao tahaka ny rahona« 

3- Mitaona antsika hiverina Aminy Izy (and.22b)

Ny fanafahana ny Israely avy amin’ny fahababoana dia fanarenana ny fiainan’ny vahoaka voafidiny. Izay lehibe indrindra amin’izany dia fanarenana izany ny ara-panahy ka nandevonany ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra. Indro , miantso ny Israely hiverina Aminy Izy, ka hody avy amin’ny fahababoana. Efa nolevonin’i Jesoa Kristy teo amin’y hazo fijaliana ny fahotantsika, « koa miverena Aminy fa efa nanavotra antsika Izy…’

Fanontaniana:

Inona no mahasamihafa ny « famaizana » sy ny « fizahan-toetra »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM