Tsy efa eo an-tokonam-baravarantsika ve ireo mpaminany sandoka?
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Jona 2022
Matio 24,15 - 28
15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), 16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; 17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; 18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 19 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo! 20 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. 21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. 22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. 23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo. 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. 25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany. 26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 28 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.Mitandrema fa misy fahefana sandoka « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ku haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao na dia ny olom-hoafidy aza dia hofitahiny » (and 24)
1- Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka

Manainga ny olona izay mpanara-dia azy Jesoa mba ho malina Isara manoloana ireo milaza azy ho mpaminany. Zao zavatra mitranga eto amintsika izao no efa nambaran’i Jesoa tamin izany. Maro ireo mampianatra, ary mahavita fahagagana maro samihafa. Fanasitranana sy famantarana, ary hita toa mahomby izany. Saingy ireny dia manala ny olona ao amin’ny finoana sy fankatoavana ny Teniny. Ka mitarika ny olona hiaina sy hiandry fahagagana isan andro
2- Aza manaiky ho voafitaka
Aoka isika hizaha toetra ny fanahy mandrakariva mba tsy ho roboka amin’ireo milaza ny mpaminany. Aoka hotsarovantsika ny voalaza hoe: « Izao no ahafantaranareo ny Fanahin Andriamanitra. Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’Andriamanitra » (1 Jao 4.2). Izy tonga nofo hamonjy sy hanafaka antsika tamin’ny loton’ny fahotana no tena zava-dehibe fa tsy izao fahagagana maro tanisaina izao.
Fanontaniana
Tsy efa eo an-tokonam-baravarantsika ve ireo mpaminany sandoka?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM