Tsara sy mahafinaritra ny firaisankina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Aogositra 2021

SALAMO 133.1-3

SALAMO 133.1-3
1 [Ny mahatsara ny fifankatiavana] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony*; [Na: vozon'akanjony] 3 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.

Tsara sy mahafinaritra ny firaisankina

Mampisongadina ny firaisan-kina sy ny fiombonan’ny zanak’Andriamanitra ity Salamo ity . Ny famoriana ny olona izay niparitaka any rehetra any hamonjy ny fetin’ny fivahiniana no heverina fa anton’ny hira salamo eto. Koa rehefa nisy ary ny fivahiniana sy fiparitahana noho ny antony maro samihafa dia tsapa fa sady mety amin’Andriamanitra ny fiombonana no tsara no tsara ho an’ny olona indrindra koa (and1) .

Ny famoriana ny olona ho iray dia tsara indrindraraha eo amin’ny ivo tokana ihany fa tsy hoe : samy manao izay tiany hiombonana sy hiraisana akory ka ny teo amin’ny Jiosy eo amin’ny fanompoampivavahany amin’Andriamanitra misy ny fiaran’ny fanekena izany toeram-piombonana tokana izany . Ho an’ny kristiana kosa dia ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no ivon’ny fiombonana koa izay te-hiombona izany dia tsy maintsy mankao amin’i Jesoa Kristy .

Ny tanjon’Andriamanitra amin’izany dia ny hamory ho tokana ihany ny olony rehetra izay niely sy niparitaka noho ny antony maro samy hafa ,amin’ny alalan’ny fahafatesan’ny zanany . Araka izany , ny fototry ny fampiaraisana sy fampiombonana ny olona dia ho araka ny sitrapon’Andriamanitra irery ihany . Ny diloilo mitsotsorika izay famantarana ny Fanahy eto dia fitaovana mahatanteraka ny fiombonana . Milaza indrindra ny tsodrano ho an’ny mpirahalahy izany . Ny ando kosa dia famantarana ny Tenin’Andriamanitra izay miasa ary tsy afa-misaraka amin’ny olona mihitsy satria manamando sy mamelona ny tany isanandro .

Fanontaniana :

Tsara b sy mahafinaritra ve ny fiombonan’ny kristiana ho iray ao amin’i Jesoa Kristy ? Misy ve izany ao amin’ny kristiana rehetra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM