Toy izao ny fanazavana ireo famantarana voalaza eto ;
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Desambra 2022
APOKALYPSY 12.1-6
APOKALYPSY 12.1-6
1 [Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany, 2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka. 3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany. 4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka; 5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka* ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. [* Gr. handry] 6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.Toy izao ny fanazavana ireo famantarana voalaza eto ;
1-Ilay vehivavy mitafy masoandro (and1)
Ny fiangonan’Andriamanitra no sary asehon’ilay vehivavy. Niatrika fanenjehene mivaivay ny mpino tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany.Ny hampahery ireo kristiana tamin’izany andro izany no kendren’ny famantarana.Mety hihatra amin’ny kristiana amin’ny fotoana rehetra ihany koa anefa izay nahazo ireo fiangonana voalohany ireo , ary ny hoe ; mitafy masoandro dia entina ilazana ny voninahitra sy ny hery ampombain’ny Tompo azy. Ny hoe; bevohoka sy mihetsi-jaza kosa dia ilazana ny fahalemeny sy ny fahoriana izay mihatra aminy. »Ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka »(and 2).
2- Ilay dragona (and 3.4)
Satana sy ny fahalozana entiny no endrika asehon’ny dragona .Mahatahotra sy mahatsiravina ny endriny. »dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo ary misy diadema fito amin’ny lohany ».Ny ataony dia tsy misy afa-tsy ny hanozongozona sy hampitondra fahoriana ny fiangonana. Izany no hevitry ny hoe ; »ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavyefahiterakamba handrapaa ny zanany raha vao teraka » and4.Nihevitra izy fa ho mora ny hahazoany mamotika ny fiangonana.Tsy izany ihany anefa no mitranga satria voafetra ihany ny heriny .
3-Ny zazalahy and5
Jesoa Kristy Mpanjaka no ambaran’izany. »Izy no hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by’‘.Nakarina faingana eo anilan’Andriamanitra sy eo anilan’ny seza fiandrianany ilay zaza. Mampahatsiahy fomba niarovan’Andriamanitra an’i Jesoa zaza tamin’ny tànan’i Heroda sy ny nandosiran’i Josefa sy Maria tany Egypta ny fandosirana tany anefitra and 6
Fanontaniana ;
Mbola miatrika fanenjehana ny fiangonana ankehitriny .Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM