Torolalana mba hananana fiadanampo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Novambra 2025
Sal 66.8-12 / 241:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462
Salamo 37,1 - 7
1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.Sal 66.8-12 / 241:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462: 1
Salamo 37.1-7
Anankiray amin’ny Salamo Abidia (Litera hebreo avokoa ny fanombohan’ny andalana tsirairay) tahaka ny Sal 119 ity Sal 37 ity. Salamo fankaherezana sy fitaomana hatoky an’Andriamanitra, na dia ao anaty fanahiana sy fiaretana ny tsy rariny aza. Torolalana telo no omen’ny Soratra Masina eto, mba hananana fiadanam-po, ka izao no raiso:
1. Omeko an’Andriamanitra ny fiainako
Ankino amin’i Jehovah ny lalanao… » hoy ny mpanao Salamo. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia hoe akorisao na ampitondray an’ Andriamanitra ny enta-mavesatrao. Aza vingitina irery intsony, aza miana-kendry hitondra samy irery fa apetraho eo an-tanan’ny Tompo (1 Pet 5. 7). Antsom-pitiavana nataon’i Jesoa rahateo izany. (Mat 11. 28)
2. Mino aho fa mandray an-tanana Izy
…ary matokia Azy ». Rehefa napetrakao teo an-tanan’ny Tompо пу momba anao dia minoa, aza mitebiteby na miroaroa saina intsony, sahia mandry ivohon’ny vato. Moa va aminao, ny zaza hitsambikina eny an-tratran-drainy dia mbola hanontany tena na hatahotra sao tsy ho voatantiny? Tsia avy hatrany ny valiny! Na inona na inona hiseho, dia mitonia. Tsarovy fa ny tena finoana, dia mino aloha vao mahita ny fahatanterahany; fa tsy ny mifamadika amin’izay (Heb 11. 1)
3. Hahita ny fitiavany aho
…fa hataony tanteraka». Andriamanitra akory tsy mitazam-potsiny anao, na koa hoe noraisiny ilay enta-mavesatrao ka voarainy, dia tapitra eo. Tsia! Fa hiditra an-tsehatra Izy. Tsarovy i Mosesy teo anoloan’ny ranomasina mena: tapitra ny fetran’i Mosesy fa nosokafan’Andriamanitra ny ranomasina hiampitana tany maina!
Fanontaniana
Hatraiza tokoa ny fatokianao an »Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe