Torohevitra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Martsa 2020
2 TIMOTY 2.22-26
2 TIMOTY 2.22-26
22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, 26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]Torohevitra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra
Taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ity mba hanomanany azy ho amin’ny asa fitarihana sy fitondrana ny fiangonana . Lehibe sy midadasika mantsy ny asa ka tsy vitan’i Paoly irery fa tsy maintsy mila namana hanatanteraka izany izy . Isan’ny voafidy ho amin’izany i Timoty . Koa satria mbola tena tanora izy dia manomana azy hitarika amim-pahamendehana hanatanteraka izany i Paoly .Tsy vita mora ary tsy mandeha ho azy velively akory izany asa fanompoana izany .
1-Mandosira ny filan’ny tanora fanahy
Misy toetra takin’i Paoly hananana eto mba hampahomby ny asa fitoriana :tsy maintsy tadiavina ny hisian’ny fahamarinana , ampiorenina ny finoana , ampanjakaina ny fitiavana sy ny fihavanana ary atao amin’ny fo madio izany rehetra izany fa tsy mila fihatsarambelatsihy .Amin’ny maha-tanora mantsy dia azo heverina fa raha entanin-kafanampo fotsiny eo dia mety heverina hanaotao foana ka hanimba ny asa sy ny fiangonana mihitsy amin’ny farany .
2-Malemy fanahy amin’ny olona rehetra
Toe-javatra mety hisy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny tontolon’ny Fiangonana ary raha tsy voatandrina anefa dia hitarika fikorontanana mahatsiravina izany satria lasa miady ny olona .Ampitandremana eo anatrehan’izany ny mpitarika mba halemy fanahy amin’ny rehetra , hahay mampianatra , hahalefitra .Raha tsy izany mantsy no hanirahan’ny Tompo azy .
Fanontaniana:
Inona avy no andrasan’ny Tompo Andriamanitra amin’ny mpanompony izay hirahiny hanao ny asa fanompoana Azy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM