Toriteny sy Fampianarana
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Desambra 2018
Toriteny sy Fampianarana
MARKA 9.14-29
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto? 17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho et? aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento et? amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. 24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. 25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no] 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].Toriteny sy Fampianarana
MARKA 9.14-29
Ny ABDin’ny fahombiazana
Raha te- hahomby ianao
D-Diniho ny fianam-bavakao
Ahoana no fiafaran’ity tantara ity ?
« Ary rehefa tonga tao an-trano i Jesoa dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay sy nahavoaka azy . Ary hoy Izy taminy : « iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona , afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany » (Mar 9.28-29).
-Satria ny vavaka no tsiambaratelon’ny fahombiazana
Mitaky vavaka ny fahombiazana .Raha te- hahomby amin’ny ady amin’ny devoly, mivavaha!Raha te- hahomby amin’ny fanasitranana , mivavaha!raha te-hahomby amin’ny fitaizana zanaka maditra, mivavaha!.Raha te- hahomby amin’ny asa ampanaovin’ny Tompo , mivavaha!Ianareo tsy nahavoaka azy , hoy i Jesoa , satria tsy ampy vavaka . « Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona , afa-tsy amin’ny fivavahana ihany ». Koa diniho ny fiainam-bavakao! »
–Satria vavaka ifotorana no takin’ny fahombiazana . izany no ambaran’ny fifadian-kanina miaraka amin’ny vavaka eto. Tsy vavaka vonjy tavanandro amin’ny fotoana mahaporitra ihany, fa vavaka iainana. tsy vavaka vonjivonjena eo ankatoky ny fanadinana fotsiny , ohatra , fa vavaka mandavataom-piainana. Tsy vavaka anekena hampandefitra zavatra hafa (tele,radio…) mba hanaovana azy . Koa diniho ny fianam-bavakao!
« Bokikelin’ny fahombiazana« IAA