Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Aogositra 2023
Jaona 12,23-33
Jaona 12,23-33
23 Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona. 24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. 25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay. 26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray. 27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity; 28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray. 29 Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy. 30 Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo. 31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina. 32 Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. 33 Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona
Teo aloha i Jesoa Kristy dia niteny hatrany hoe « tsy mbola tonga ny fotoako ». Eto kosa anefa Izy dia niteny mivantana hoe tonga ny fotoana. Inona ary ny fotoana tian’ny Tompo holazaina amin’izany ? Ny fotoana hanatanterahany ny fanavotana ny olona izay mendrika ny famonjeny no ambara amin’izany. Izany hoe ny fanolorany ny tenany ho sorona mba hitondra fanavotana izay rehetra mino Azy. Araka izany ny fotoana fankalazana Azy dia :
Miantomboka amin’ny fahafatesany.
Mba hanehoan’ny Tompo ny vokatra azo na ny zavatsoa omaniny sy omeny ny olona izay mitondra ho amin’ny fanomezam-boninahitra Azy dia manao sarin-teny momba ny voam-bary Izy eto. Ny voam-bary hoy Izy, dia mitoetra foana raha tsy latsaka amin’ny tany ka maty. Ary rehefa maty kosa izy dia lasa mahavokatra be. Marihina tsara ny fanehoan-kevitr’i Jesoa Kristy fa tsy eo amin’ny fifanoheran’ny maty sy ny velona izay lalan-tsain’ny olona no anehoany izany, fa eo amin’ny maty sy ny mitondra vokatra be kosa.
Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia tsy hoe dingana lalovany hankanesany any amin’ny voninahiny ihany fa fepetra mba hahavelona, hahamaro ny Fiangonana indrindra koa. Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia fototry ny maha kristiana. Zava-dehibe araka izany ny finoana takiana amin’ny olona izay manaiky an’i Jesoa Kristy satria araka ny tenin’i Jesoa eto hoe

: «Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy».
Noho izany mitarika anao hanara-dia an’i Jesoa amin’ny fomba rehetra izany ka hisitrahanao ny fanavotany amin’ny fanomezany fianam-baovao ho anao
Fanontaniana:
Mitondra inona ho an’ny mino ny nahafatesan’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM