Tompo Velona: Fiarovana sy Famonjena Amin’ny Sarotra

Mofonaina anio: Talata, faha 01 Aprily 2025

(Sal 48:1-3 / Hira 4:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 506)

Salamo 28.1-9
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho. 2 Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho. 3 Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. 4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tànany, valio izy araka izay iendrehany. 5 Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny. 6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy. 7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. 8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony. 9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]

VOLANA APRILY

VELONA NY TOMPO

Tonom-bavaka ataon’ny mpanao Salamo amin’ Andriamanitra noho ny zava-tsarotra manjo azy no hita eto. Miantso an’Andriamanitra izy, mitaraina fa misy olona mahavita zava-doza amin’ny olona, misy ireo olona tena mahay mihatsaravelatsihy, izay miseho ho namana amin’ny lafiny anankiray kanefa tena miandry izay hahavoa ny hafa mihitsy; ary tena mifaly indrindra izy ireny rehefa misy ny fahavoazan’ny hafa. Mangataka ny mpanao Salamo, noho izany, mba tsy hojeren’Andriamanitra fotsiny ny zavatra tsy rariny tahaka izany eo amin’ny fiainana.

Mampianatra ny olona mba hatoky an’Andriamanitra ny mpanao Salamo. Manambara izy amin’izany fa tsy maharikorikon’ny fahorian’ny olona velively Izy, na dia mitaraina Aminy mandrakariva aza ny olona. Tena mihaino ny feon’ny olona mangataka fanampiana Aminy Izy. Mihaino vavaka Izy. Ilaina kosa anefa ny fahatahoran’ny olona Azy, ny fahatokiana sy ny finoana Azy

Mampianatra hatrany ny mpanao Salamo fa tena azon’ny olona itokiana tokoa Andriamanitra satria manana vahaolana ho an’ny olona amin’ny zava-mitranga rehetra amin’ny fiainany. Amin’izany dia ho tahaka ny miaramila manana izay itokiany ny olona noho ny fanampian’ Andriamanitra; satria ho herin’ny olona sy ho ampingany Izy, ho fiarovana mafy. Izany hoe tahaka ny manda aron’ny aina ho an’ny olona Izy ka tsy hatahotra na inona na inona mihitsy ny olona, na inon-kidona na inon-kihatra.

Afaka manampy ny olona amin’ny sarotra ve ny Tompo? Mbola mihaino vavaka ve Izy?