Tolory famonjena ny mino

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Novambra 2020

2 KORINTIANA 4.12-15

2 KORINTIANA 4.12-15
12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; 14 fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. 15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro.

Tolory famonjena ny mino

1-Amin’ny fiombonana fijaliana amin’iKristy

Hazavain’iPaoly eto amin’ny Perikopa ity fa mba hahazoantsika manome fiainana ho an’ny olona iray hafa dia tsy maintsy miombona amin’ny fijalian’iKristy isika. Izany no ambarany hoe : « fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no ao aminareo« . Ny fijaliana sy ny fanenjehana ary ny zava-mafy noho ny amin’iKristy , izany hoe : mihatra amintsika noho ny fitoriana ny Filazantsara dia manamarina fa tsy diso làlana isika izay mitondra famonjena ho an’ny hafa. Hoy i Jesoa : » Izay tia ny ainy no mahavery izany , fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ny fiainana mandrakizay » (Jao 12.25) . Nisy olona nilaza fa hatramin’izay nanompoany ny Tompo no nahabe fahoriana azy. Toy izany no fiheveran’izay tsy mahatsiaro miombona amin’ny fijalian’ny Tompo .

2-Amin’ny fiombonana fandresena

Tsy mijanona ny amin’ny fanambarana fijaliana sy fisedrana zava-tsarotra ny amin’ny fitoriana Fiazantsara i Paoly fa manambara sy manome toky fa ny làlam-pandresena nodiavin’ i Jesoa no hodiavin’ny mpitory Filazantsara sy izay mandray izany Filazantsara izany . Izao fanambarana izao dia tena Teny fanomezan-toky ny amin’ny fiatrehana ny fahoriana . « Andriamanitra ilay efa nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty  » , hoy i Paoly eto no hanangana ihany koa azy sy izay rehetra itoriany ny Filazantsara . Toa manambara fandresena sahady izany fa ny làlana izay andehanantsika dia ho amin’ny fiainana fa tsy ho amin’ny fahafatesana (vakio Mat 10.39) .

Fanontaniana:

Vonona hitondra famonjena ho an’ny hafa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM