Toetran’ny mpanompon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Febroary 2025
Sal 1. 1-6 / Hira 190: 1 / Mofonaina / Vavaka
2 Korintiana 6,1 - 10
1 Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra 2 fa hoy Izy: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; 3 fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; 4 fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, 5 amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina, 6 amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia, 8 amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany; 9 tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty; 10 tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.Ny amin’ny toetran’ny mpanompon’Andriamanitra no ampianarin’ny mofonainantsika anio raha hoy Paoly hoe: « fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay » (2 Kor 6. 4). Manao ahoana ary ny toe-panahin’izany tena mpanompon’ Andriamanitra? Valiny telo no hita eto:
1. Tsy manao izay hahatafintohina (and 8a)
Raha milaza izany ny Apostoly Paoly dia tena te haneho amin’ny Kristiana tao Korinto mihitsy fa, tsy mba mitandro sy mandrindra ny fifandraisana amin’ny hafa ny Kristiana mba tsy ho tonga fahatafintohinana ho an’ny hafa, ka tsy ho zary sakana tsy handraisan’ ny hafa an’i Kristy. Taomina isika, indrindra indrindra, manoloana ny tsy mino na ny marefo finoana mba tsy hanao boka mihalo-poza ka manosika azy hiverina.
2. Mitandrina ny fanompoany (and 8b)
Io fifandraisana, tandremana sy hiheverana ny hafa io dia mikendry ny mba tsy hitenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra sy ny zara fanompoana, hoy mantsy i Paoly hoe: « …mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoana », izany hoe mba tsy hitoraham-bato ny anaran’i Jesoa.
3. Maneho ny maha mpanompo amin’ny asa
« Fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay » hoy i Paoly. Maneho izany, fa tsy ny teny aloaky ny vava fotsiny ihany akory no hihirahirana hoe mpanompon’ Andriamanitra aho, mpanompon’ Andriamanitra aho, fa ny hita sy ny atao mihitsy. Tahaka an’i Jesoa ihany, tsy toriteny fotsiny, fa fiainana sy fanao mifanaraka amin’izay toriana! Tsy tenenina fotsiny, fa aseho koa ny maha olon’Andriamanitra; mandehana ianao dia manaova toy izany koa!
Fanontaniana
Hatraiza ny maha mpanompon Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe