Toetra tsy maintsy ananan’ny Kristiana ny fitiavana ny namana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Novambra 2024
Jaona 13.34-35
Jaona 13.34-35
34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. 35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.Toetra tsy maintsy ananan’ny Kristiana ny fitiavana ny namana
Fiaraha-monina sy ray aman-dreny samihafa avokoa no namolavola ny mpianatra, noho izany samy manana ny toetrany avy izy ireo. Izao anefa, asain’i Jesoa manana toetra tsara iombonana izy ireo rehefa tonga mpianatra, ka na inona na inona fahasamihafana, dia tsy maintsy mifankatia ny mpianany. Raha milaza koa aza fa tia an’i Jesoa ny mpianatra dia tsy maintsy manana fitiavana koa, satria hoy Jesoa ao amin’ny Jaona 14.15 hoe « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Ry havana, raha mbola milaza koa fa kristiana, dia tsy maintsy mifankatia.
Mifankafantatra amin’ny alalan’ny fifankatiavana ny Kristiana. Raha olona hafa noho ny kristiana indray no mijery azy dia marika ahafantarana ny kristiana ny fifankatiavana. Ilay fomba fifankatiavana anefa dia misy alain-tahaka, dia ny fomba nitiavan’i Jesoa ny mpianatra dia ny manolotra ny aina hamonjy ny hafa. Hoy mantsy Jesoa ao amin’ny Jaona 15.13 hoe : << Tsv misy manana fitiavana lehibe noho izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany », izany hoe ny tombotsoan’ny hafa aloha, miampy fanetren-tena sy manompo ny fifanompoana.
Fanontaniana
Araka ny hevitrao, mifanaraka sa tsia amin’ilay fitiavan’i Jesoa ilay fitenenana malagasy hoe: Izay tia adala?
Sampana Sekoly Alahady Foibe