Toe-panahy kristiana

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Novambra 2024

Marka 10.17-27

Marka 10.17-27
17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17). 20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. 21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. 22 Dia nanjombona ter? ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be. 23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza indray no azo hovonjena?[* Na: nifampilaza]. 27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.

Toe-panahy kristiana

1. Mankamamy ny didin’Andriamanitra

Ny tompo dia manambara fa sitrany tokoa raha mamatatra ny didiny isika mba hahafahantsika miaina izany. Mila mamantatra ireo didy ambaran’i Jesoa tamin’ity mpanankarena ity ihany koa isika. Izao mantsy no navaliny: « mpampianatra ó! Izany rehetra izany efa fantatro sy notandremako hatry ny fony mbola kely ». Toa valiteny manamarin-tena ihany no hita eto, fa tsy miezaka mamantatra sy miaina izay voasoratra. Ny fahafantarana sy fiainana ny tenin’Andriamanitra no fototra hananana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.

2. Hanana ny fanahin’ny fahafoizana.

Ary Jesoa nijery azy tsara dia tia azy ka nanao taminy hoe: « Diso zavatra iray loha ianao, mandehana amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an- danitra hianao, ary avia hanaraka Ahy » (and 21). Tsarovy fa ny fanahin’ny fahafoizana dia toe-panahy iainana amin’ny fanarahan- dia an’i Jesoa. Izany hoe mahafoy ny zavatra rehetra izay ananana, entina hanompoana an’Andriamanitra, hanasoavana ny mpiara- belona. Mahafoy ny fotoana, fananana, harena,…. Raha tenenina amin’ny fomba hafa dia rehefa manao zavatra isika dia mahafoy ary heverina ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona. (vakio Kolosiana 3.23)

Fanontaniana:

Ny fananan-karena sa ny fananana toe-panahy kristiana no sarotra tadiavina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe