Tian’ny Tompo handresy isika ka

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Aprily 2022

LIOKA 21.12-19

LIOKA 21.12-19
12 Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. 13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza. 19 Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.

Tian’ny Tompo handresy isika ka

1-Ampiomany mialoha

Mampiomana antsika izay hitranga amin’izao vanim-potoana farany izao ny Tompo . Hisy fisamborana sy fampidirana am-ponja , hisy fampijaliana noho ny Anaran’Izy Tompo , hisy ny havana akaiky hanolotra sy hamadika , ny fankahalana .Izay tsara fiomanana tsy tampohan’ny loza .Tia antsika ny Tompo ka mampahafantatra antsika mialoha izay hitranga .

2-Tolorany saina

Tsy miomana amin’ny fampiomana mialoha ihany no Tompontsika fa manolo-tsaina ihany koa Izy . « Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo , fa Izaho hanome anareo vava sy saina izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena « (and14-15).Omen »ny Tompo antsika ny Fanahy Masina , Ilay mpanolo-tsaina , mpisolo vava hanome antsika vava sy saina entina miatrika sy mandresy ny fahavalo .

3-Omeny toky

« nefa tsy hisy ho very na dia singambolo iray eo amin’ny lohanareo aza » (and18).Ireo fiasan’ny Tompo tamin’ireo mpanompony natoky Azy hatramin’izay dia tsy miova omaly sy anio ary rahatrizay .Ny fandresena ny lafaoro mahamay , ny liona noana, ireo karazana Goliata izay miseho amin’ny endrika hafa indray dia azo resena tsara .

4-Omeny paikady mazava tsara

« Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo « (and8). Efa nambaran’i Jesoa «  »fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Mar 13.13)

Fanontaniana :

Inona no azonao ambara momba ny fitiavan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM