Tian’ Andriamanitra hovonjena ny olona rehetra

Mofonaina anio: Talata, faha 29 Desambra 2020

ROMANA 11.7-15

ROMANA 11.7-15
7 Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa; 8 araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3) 9 Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy; 10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23). 11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy. 12 Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany. 13 Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako, 14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany aminy. [* Gr. ny nofoko] 15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana]

Tian’ Andriamanitra hovonjena ny olona rehetra

Moa ve dia hahafoy an’ Israely tokoa Andriamanitra ka nanome azy fanahy sondrian-tory sa maso tsy hahita ary sofina tsy handre ? ( and 7,8) . Mizara roa ny valiny :

1-Tiany hovonjena ny Jiosy

Ts sitrak’Andriamanitra ny hahavery ny olony , saingy matetika dia ny olona no minia mikimpy manoloana ny fahamarinana izay efa aseho azy . Ny firenena Jiosy izay taranak’i Abrahama araka ny nofo ( jereo ny and 1,2) , nomena ny lalàna sy ny Soratra Masina ary ny fombam-pivavahana isankarazany dia nihevi-tena ho manankarena ka nalaim-panahy hanamarin-tena sy tsy hiankina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra . Hany ka na dia efa tonga aza i Jesoa , Ilay Mesia izay nandrandrainy fatratra dia tsy fantany sady nolaviny . Tsy mahafoy ny olony mandrakizay Andriamanitra fa ny olona miadana ara-nofo ka manara-po amin’ny sakafo sy ny zavatry ny tany no mora voan’ny torimasom-panahy .

2-Tiany hovonjena ny jentilisa

Mahagaga ny fitondran’Andriamanitra , fa ny fandavan’Israely an’Ilay Mesia no nanjary varavarana misokatra ho famonjena ny Jentilisa . « …Fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa » (and11) . Ny fandavan’ny Jiosy an’i Jesoa Kristy no nampiely ny Apostoly any amin’ny firenena Jentilisa ka nahatonga azy ireo hanana anjara amin’ny famonjena . Tsy midika akory izany fa efa narian’Andriamanitra izay efa nandà Azy . Ho avy ny fotoana hiverenany , hoy i Paoly ka rehefa voaray indray ho isan’ny zanak’Andriamanitra ny Jiosy dia hahita fitahiana amin’ny fitsanganan’ny maty ny Jentilisa (and15) . Tian’Andriamanitra hovonjena avokoa ny olona rehetra , na Jiosy na Jentilisa .

Fanontaniana :

Inona no hatao mba hialana amin’ny fanavakavahana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM