Taomina isika hitondra tena mendrika ny Filazantsara ka:

Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Oktobra 2024

Kolosiana 3.5-11

Kolosiana 3.5-11
5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay et? an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; 6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. 8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. 9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona] 10 ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona] 11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika]

Taomina isika hitondra tena mendrika ny Filazantsara ka:

1. Hiala amin’ny ratsy fanao (and 5)’

« Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany… » hoy ny Apostoly eto raha mampianatra. Tarihin’i Paoly isika hiala amin’ny fomba fanaon’izao tontolo izao. Ireto avy no tanisainy: fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy, ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany. Lalana efa naleha taloha izany ka tsy tokony hiverenana intsony, fa mazava dia mazava ny ambaran’ny Soratra Masina: «Toy ny amboa miverina amin’ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany. » (Ohabolana 26:11). Ny fikirizana amin’ny hadalana ihany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra. Taomina isika, aza mangataka andro na miandry ny kapok’ Andriamanitra vao hiala amin’ny faharatsiana.

2. Tsy hifandainga (and 9)

«Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany, ary efa notafianareo ny toetra vaovao ». Tsy mahasoa ny samy Kristiana ny mifamitapitaka sy tsy mifampilaza ny marina, satria manimba fifandraisana izany. Manembatsembana ny fifankatiavana, Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. (Ohabolana 19:22)

3. Satria iray ihany ao amin’ny Tompo (and 11)

«Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsyvoafora, na barabariana na Skytiana, na andevo sy tsy andevo fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra ». Tonga iray ihany izay rehetra mandray an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany, tsy misy fizarazarana na fifanilikilihana intsony, satria Kristy iray ihany no iaraha-manompo.

Fanontaniana

Fitondran-tena manao ahoana no andrasana amintsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe