Tantaran’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty
Mofonaina anio: Talata, faha 11 Febroary 2025
Sal 1.1-6/Hira 190: 1/ Mofonaina / Vavaka
Jaona 20,11 - 18
11 Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12 ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. 13 Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. 14 Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. 15 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. 16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. 17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.Tantaran’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ny mofonainantsika anio. Ampitain’io tantara io amintsika fa
-
Velona tokoa i Jesoa (and 11, 12)
Manaporofo io fahaveloman’i Jesoa io ny fahafoanan’ny fasana, satria rehefa nitsirika nijery i Maria, dia « nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesoa ». Tsy angano akory izany, satria, ara-tantara dia nitranga tamin’ny andron’i Pontio Pilato, Governora Romana izao tranga izao. Io no iavahan’ny fivavahana Kristiana amin’ny fivavahana rehetra misy, satria i Jesoa irery ihany no nitsangana tamin’ny maty teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao!
-
Mahita Azy, izay mitady azy amin’ny fo (and 16)
« Hoy i Jesoa taminy: Ry Maria… », Ny fitantarana dia milaza fa niteny tamin’i Maria izay nidodododo vao mangiran-dratsy hitady Azy i Jesoa. I Maria dia tena naniry mafy hahita an’i Jesoa mihitsy, na ny marimarina kokoa, hahita ny fatin’i Jesoa; ary novalian’i Jesoa izany hetahetany izany koa raha faty no nantenain’i Maria ho hita, fa Jesoa velona no niseho taminy. Tadiavo amin’ny fonao i Jesoa dia hahita Azy ianao, sady hanehoany ny hery sy ny voninahiny.
-
Irahiny hizara vaovao mahafaly (and 17)
« Fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe… » hoy ny fitantarana. Maneho amintsika izany, fa andraikitra apetrak’i Jesoa amin’izay efa nihaona taminy ny hampahafantatra ny hafa sy hizara ny vaovao mahafaly dia ny fitsanganany tamin’ny maty. Raha efa nihaona tamin’i Jesoa velona ianao, dia aza fihinina ho anao samirery ny maha Andriamanitra velona Azy fa mba tariho hihaona Aminy koa ny hafa, hitsitraka ny famonjeny, handray Azy ho Tompo sy mpamonjy!
Fanontaniana:
Hatraiza ny fanirianao hahita an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe