Tano ny finoana
Mofonaina anio: Talata, faha 30 Aogositra 2022
APOKALYPSY 3.7-13
APOKALYPSY 3.7-13
7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia] 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Tano ny finoana
1-Mba tsy ho azon’ny fakam-panahy
Ny Fiangonana tao Filadelfia dia nanana izay niavahany tamin’ny hafa , satria sady nahatoky no nitana ny Tenin’Andriamanitra , ary tsy mba nandà Azy . Noho izay toetra nananany ny fironan-dratsin’ny fiangonana sasany hoa amin’ny fakam-panahy .oho ny faharetan’ny Fiangonana tao Filadelfia tamin’ny finoana sy fatokiana dia nanome toky Andriamanitra fa hamonjy azy ireo amin’ny andron’ny fakampananhy .Ka ho an’izay maharesy , mitana mafy ny finoana , raha mbola tsy tonga ilay andro dia Andriamanitra no hiaro amin’ny andron’ny fakam-panahy . Tano mafy àry ny finoana .
2-Fa ho avy ny Tompo
Izay ho fifandraisana akaiky amin’ny andininy faha-11 sy ny and 10 dia mampiseho fa ny fiavian’i Kristy haka ny fiangonany eto an-tany no fomba hanavotany azy . Tokony haneho faharetana ny mpino manoloana ny fahafantarana ny fiavian’ny Tompo , mba tsy ho very ny valisoa nampanantenaina azy ireo (3.11/ 1 Kor 9.24-27) . Tsy ho an’ny rehetra anefa izany fa ho an’izay mahatoky ao amin’ny fiangonana ka mifikitra amin’i Kristy sy ny teniny. Ho avy ny Tompo . Miorena tsara , dia aza miova amin’ny fatokiana ny Tompo .Tano mafy ny finoana ho fianarana ho an’ny hafa .Mahereza!
Fanontaniana :
Mbola hitoetra amin’ny finoana ve ny fiangonana mandra-piavin’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM