Tano mafy ny finoana
Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Aogositra 2022
Ohabolana 4,10 - 19
10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao. 11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho. 12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho et? ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. 13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao. 14 Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy. 15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora. 16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany. 17 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna. 18 Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro. 19 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.Tano mafy ny finoana
1 Hananana fahendrena
Asehon’ny mpanoratra antsika eto, fa ilay safidy mitondra fiainana dia ny lalam-pahendrena, izay mitarika ho an’ny làlana mahitsy, fiainana mahafinaritra sy falifaly lava (Oha.15,23 ;27), na ny ara-batana, ny ara-tsaina, sy ny ara-panahy koa (8,35 ; 9,6 ;10,16 ; 19,23). Ny mpanoratra dia mitaona antsika mpamaky mba hitana mafy ny fananarana ka tsy havela hiala, hazony izy fa ainao (and.13) Izay mihazona mafy ny finoana dia ho feno fanantenana ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Kristy no fahendrentsika, Izy no fiainantsika, ary izay manana Azy dia manana fiainana (1Jao.5,12)
2 Tsy handehanana any amin’ny làlan’ny ratsy fanahy
Tsy tokony hitodika amin’izany akory ny maso, na hisafidy ho any fa hoy ny voasoratra eto : «Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora» (and.15)
Ny ratsy fanahy dia mikendry hanao ratsy mandrakariva ary tsy mahita torimaso raha tsy efa nanafintohina ny sasany (and.16). Faharatsiana sy fahalozàna no sakafony isan’andro, mofo fihinany sy rano fisotrony. Tano mafy ny finoana fa ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro. Fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa dia toy ny aizim-pito. Tsy fantany akory izay manohintohina azy (and.18-19). Aza mba manaiky hotarihina any amin’ny lalan’ny ratsy fanahy. Hazony ny fahendrena anananao ilay mitondra aina sy fahazavana. Aza manaiky ho resin’ny ratsy
Fanontaniana
Izay manam-pinoana dia manam-pahendrena, marina ve izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM