Tanisao :inona avy teo amin’ny fiainanao no nahatsapana ny herin’ny tànan’Andriamanitra miasa?

Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Janoary 2020

JOSOA 4.20-24

JOSOA 4.20-24
20 Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala. 21 Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo? 22 dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity. 23 Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, 24 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.

Tanisao :inona avy teo amin’ny fiainanao no nahatsapana ny herin’ny tànan’Andriamanitra miasa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM