Tandrovy tsara ny rariny sy ny hitsiny
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Aogositra 2021
MATIO 21.33-46
MATIO 21.33-46
33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy. 34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra. 35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. 36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny. 37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. 38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. 39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy. 40 Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany? 41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy. 42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23). 43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. 44 Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo*.[*Gr. haely toy ny vovoka] 45 Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany. 46 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.Tandrovy tsara ny rariny sy ny hitsiny
1-Atsaharo ny fampahoriana ny iraky ny Tompo
Endrika fanoharana no hanehoan’i Jesoa ny afitsik’ireo mpampahory ny iraky ny Ray eto : fisamborana, fikapohana, famonoana, fitoraham-bato . Samy nahatsapa ireo lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo , fa izy ireo no mpiray tsikombakomba voalaza eto . Tsy niserana kely tao amin’izy ireo akory ny handini-tena na hibebaka fa vao mainka fikasana hisambotra an’i Jesoa ihany no nataon’izy ireo . Hoa anao koa, raha tsapanao fa mahakasika anao ny toriteny na fampianarana , moa ve mba hitondra fandinihantena , fibebahana ho anao izany sa sanatria ilay mpitory na mpitarika indray no hitadiavanao fomba rehetra hampahoriana na hampijaliana azy ? Atsaharo ny fanenjehana mpanompon’Andriamanitra .
2-Katsaho izay hahafaly ny Tompo
Indrisy fa ny mifanohitra amin’izany no nataon’ireo mpanofa voalaza eto amin’ny fanoharana . Tsy ampy azy ireo ny fampahoriana sy famonoana ny iraky ny tompotany fa nitohy tamin’ny fifofoana ny ain’ilay zanaka mpandova . Fanoharana maneho miharihary ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra no ambara eto . Tsy mahafaly ny Ray izany ka loza ho an’izay niavian’ny fahatafitohina . Tsotra no takiana tamin’ireto mpanofa ireto. Manaja ny fifanarahana , manaja ny iraka, manaja ny mpandova , manao izay hahafaly ny Tompo .
Fanontaniana :
Inona avy ireo karazana herisetra fahita matetika ataon’ireo fahavalon’ny asa fitoriana ny Filazantsara ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM