Tandremo ny herin’ny vola !

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Janoary 2021

ASAN'NY APOSTOLY 8.18-24

ASAN'NY APOSTOLY 8.18-24
18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy 19 ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. 20 Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21 Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. 23 Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. 24 Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.

Tandremo ny herin’ny vola !

1-Tsy azo sandaina vola ny fanomezan’Andriamanitra

Gaga i Simona mpanao ody , raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Apostoly . Nikasa hividy io hery sy fahefan’Andriamanitra io izy mba hampiasainy . Fantantsika fa ny fitiavam-bola tafahoatra no fototry ny ratsy rehetra . Ekena fa manankery hahavitana zavatra maro ny vola . Tsarovy fa resaka vola no nivarotan’i Jodasy an’i Jesoa , ary haintsika ny fiafaran’ny fiainany . Ny fiheverana ny vola no mahavita ny zavatra rehetra no mahatonga ny famadihana ny marina , ny fanaovana kolikoly , ny fanambakana sy ny tsy rariny . Diso isika raha mihevitra fa ny fandoavana vola sy ny fanaovana adidy fotsiny no hahazoana sitraka eo anatrehan’Andriamanitra . Tsy azo sandaina vola ny fanomezana ny Fanahy Masina .

2-Sahia mananatra sy tsy miolakolaka

Tsy mihambahamba i Petera raha namaly an’i Simona , ka hoy indrindra izy : »Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao , satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra . Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao , satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra » (and 20,21). Ilaina ny miteny mahitsy toy izao indraindray mba hampibebahana olona . Betsaka ny olona matin-kenamaso , ka raha olona mavomavo sy malotoloto fitafiana dia sahiny tenenina , fa rehefa ny mpanam-bola sy ny mpanankarena mbamin’ny manam-pahefana no manao ny tsy mety dia tsy sahy anarina . Manàna fahasahiana miteny , mba tsy hofehezin’ny mpanam-bola ka ho entiny amin’izay tiany hatao ny fiainam-piangonana, kanefa ataovy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny fananarana sy ny zavatra rehetra . Taomy hibebaka izay adalam-bola (and 22)

Fanontaniana :

Inona no fomba hialana amin’ny fitiavam-bola tafahoatra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM