Tampoka ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Novambra 2022
1TESALONIANA 5.1-11
1 Tesaloniana 5,1 - 11
1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, 2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. 3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. 4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. 6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr. hiari-tory] 7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. 8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.Tampoka ny fiavian’ny Tompo
1-Koa aza mandrimandry saina (and3)
Hitantsika amin’io andininy io fa matetika rehefa mandrimandry saina fa mety ny fiainan’ny olona dia misy zavatra tsy ampoizina miseho.Noho izany , aoka hiomana indrindra fa ny ara-panahy .Rehefa tsy mandrimandry saina isika dia manjary matoky an’Andriamanitra ,ka na inona na inona miseho dia Izy no mahalala izay mahasoa antsika.Tandremana mba tsy isika no ilazana hoe : « Ry adala , anio no alaina aminao ny fanahinao ,koa an’iza izay zavatra noharianao« ? (Lio 12.30).Tsarovy fa tsinotsinona ny eto an-tany amin’izay mba manantena ny fiainana mandrakizay.Indraindray dia mahita kokoa ny lafy ratsin’ny fiainana ny kristiana indrindra fa ny tena miorina .Ohatra hoe : mijaly satia maditra vady.Tsara ny tsy mandrimandry saina fa aleo mailo ihany .Ampoizo ny tampoka!
2-Koa aoka hifoha mandrakariva sy hiambina (and 6)
Ny torimaso dia anisan’izay mahavery ny olona tokoa. Ratsy i torimaso io .Ilay torimasom-panahy anefa ilay tena lazaina fa ratsy , satria manambar ny fahavitrihana manota ny fatoriana ara-panahy .Koa raha tratra amin’iny ianao manota iny ianao dia ataovy veloma ny fiainana mandrakizay .Tsy faly ny hampahory antsika akory ny Tompo ka tsy hampitombin-tsaina antsika raha nilaza hoe: « Miareta tory ianareo ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakampanahy ; mety ihany ny fanahy fa ny nofo ny tsy manankery » (Marka 14.38).Ilaina ny miambina mba tsy ho azon’ny fakam-panahy .Fahafaham-baraka no setriny farafahatsarany , fa ny tena ratsy dia ny fahaverezana mandrakizay .Tandremo àry ny varimbariana amin’iza fiainana izao fotsiny .
Fanontaniana :
Olo-mifoha tokoa ve ianao , sa matory mitsangana sa mandry tsy lavo loha sa mandrimandry am-pandriana fa tsy matory?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM