Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Novambra 2021
Salamo 33. 12 - 22
Salamo 33. 12 - 22
12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. 13 Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy; 14 Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany, 15 Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra. 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. 17 Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny. 18 Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony, 19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary. 20 Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy. 21 Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika. 22 Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo
Raha vao mamaky ity Salamo ity ianao dia hahatsiaro ny antom-piderana an’Andriamanitra ataon’ny mpanoratra azy. Asongadiny amin’izany ny asan’Andriamanitra izay mitondra ny olona sy izao rehetra izao. Ho anao kosa dia :
1- Mijery Andriamanitra
Asehon’ny mpanao Salamo eto fa i Jehovah dia manana fijery manokana ny olona nofidiny. Tsy Andriamanitra mipetra-potsiny any an-danitra Izy fa mitsinjo ny olony. Ary tsy misy zava-miafina aminy ny amin’izay iainan’nny olona. « Mpamantatra ny asany » hoy ny voalaza eo amin’ny and.15. Tsy misy afaka miala sy miafina eo anatrehan’Andriamanitra isika olombelona. Kanefa azo antoka ihany koa fa Andriamanitra mahita izay zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika izao Izy: « Eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany ». Tsaroantsika ny fijalian’ny vahoakany tany Egypta izay nanambarany fa hitany ny fijalian’ny olony. Ary fahitany ny fahotantsika sy ny fahoriantsika io koa no nandraisany andraikitra ka nanirahany ny Zanany hamonjy antsika. Satria tsy mahajery antsika anaty fahoriana toy izao Andriamanitra.
2- Mitsinjo Andriamanitra :
Ny olombelona dia miantehitra amin’izay hery ahafahany manimba ny fahavalony. Eto ny mpanjaka no ambarany fa tsy voavoanjin’ny habetsahan’ny miaramilany. Izay manana miaramila no mihevi-tena fa manana ny hery. Fa izay zava-dehibe dia izao : Andriamanitra no hery sy fiarovana izay matahotra Azy. Ny mason’Andriamanitra dia manana fijery manokana ho an’izay matahotra Azy satria tsy mijery fotsiny fa mitsinjo, izany hoe mikarakara sy mandray andraikitra avy hatrany. Tsy very fanantenana amin’izany izay miantehitra Aminy ary ho menatra sy hangahihay ireo izay mitoky amin’ny miaramilany sy ny soavaliny.
Fanontaniana : Efa nahita olona niara-dalana tamin’i Jesoa maty antoka ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM