Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Novambra 2021
Asan'ny Apostoly 14. 19 - 28
Asan'ny Apostoly 14. 19 - 28
19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy. 20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe. 21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy, 22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 23 Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera] 24 Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia. 25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia. 26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy. 27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa. 28 Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo
1- Ka sahy mandroso hatrany, na hihatra aman’aina aza ( and 20b, 21, 26 )
Mbola sahy nandeha tany Derbe hitory Filazantsara ihany i Paoly sy Barnabasy na dia efa saiky maty aza tao Lystra. Avy eo indray izy ireo mbola niverina tany Antiokia indray nefa jiosy avy ao no efa namono azy teo. Ry havana, tokony handroso mandrakariva amin’y asan’ny Tompo isika na dia mety hihatra amana aina aza izany indraindray. Ny mandroso ihany no mety fa tsy mihemotra raha mbola manana herim-batana na dia kely monja aza. Mety hitsinjo ny aina ihany isika . Tsy dia maninona loatra izany saingy ratsy raha mihemotra. Hoy ny Hebreo 10. 38 ; « Fa raha mihemotra izy dia tsy sitraky ny fanahiko ».
2- Ka sahy manambara amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo taminy ( and 27 )
Rehefa tonga tany Antiokia izy ireo dia nitantara tamin’ny Fiangonana tao izay niarovan’Andriamanitra azy ireo hatraiza hatraiza. Izany fitantarana izany dia maneho ny fahaveloman’Andriamanitra ka mahavita miaro ny mpanompony. Mampitombo ny finoan’ny olona ny fihainoana izany. Ry havana, ny fijaliana iaretana mihitsy no mampitombo ny finoana. Ary koa, ambarao amin’ny hafa izay nataon’ny Tompo tamintsika fa ilainy mihitsy izany ho fampaherezana. Hoy Jesoa ao amin’ny Matio 28. 20 : « Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Teny fanomezan-toky lehibe izany.
Fanontaniana :
Raha toa tokoa moa izany misy mandrahona antsika tsy hitory, hihemotra isika sa handroso ihany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM