Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Novambra 2021

Isaia 30. 18 - 22

Isaia 30. 18 - 22
18 Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy. 19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy. 20 Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; 21 Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. 22 Ary holotoinao* ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

1– Satria mampanantena famindram-po Izy ( and 18a )

Ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra ara-politika, ny fanopoan-tsampy, ny tsy rariny tao amin’ny fiaraha-monina, ny kolikoly, ny fanaparam-pahefana no fahotan’ireo vahoaka tao atsimo ireo. Tsy maintsy nihatra tamin’izy ireo ny kapoka araka izany. Izay sisa afaka amin’izany fotoana izany no hisitraka ity faminaniana mahavelom-panantenana ity, satria na mikapoka aza Izy dia mbola hamindra fo ihany. Hoy ny voalaza ao amin’ny Isaia 49 : 15 : « Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny mety hanadino ihany izy fa Izaho kosa tsy mba manadino anao » .

2- Satria atorony ny làlana izorana ( and 21 )

Amin’ny fahatanterahan’ity faminaniana ity dia hisy Fanahy Masina hibitsika amin’ireo olona ireo izay tokony itondrany ny tenany sy izay hataony mba tsy hahavoa azy ireo intsony. Tsy inona izany fa ny Tenin’Andriamanitra. Zava-doza izany tsy mahafantatra ny lalana tokony haleha izany, satria mitondra tsy fidiny mankany amin’ny fahavoazana. Afaka mitoetra tsara ny fontsika rehefa misy Tenin’Andriamanitra mitari-dàlana. Hoy Izy hoe : « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho ».

Fanontaniana :

Heverintsika ve fa isika no mahay kokoa noho Izy ka tsy hahafantatra izay tokony hatao ho an’ny zanany?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM