Saro-piaro amin’ny Voninahiny i Jehovah

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Janoary 2021

EZEKIELA 36.33-38

EZEKIELA 36.33-38
33 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin'ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin'ny tanana, ary haorina indray ny efa rava. 34 Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason'ny mpandalo rehetra intsony izy. 35 Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda; 36 ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany. 37 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony. 38 Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

Saro-piaro amin’ny Voninahiny i Jehovah

1-Ka taominy hanova famindra ny olony (and31,32)

« …koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny làlanareo ry taranak’Israely » . Ampangain’Andriamanitra mihitsy ny taranak’Israely eto ary asainy mandini-tena toy ny apetraka eo anoloan’ny fitaratra , ny amin’ny fahalotoam-pitondrantenany sy ny sampiny , ka nahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra nihatra tamin’izy ireo . Tsy mijanona eo anefa fa tarihan’ny Tompo mihitsy izy ireo ho tonga amin’ny fibebahana ka hahatsiaro fa diso ary hahatsiaro koa ny fahamasinan’ Andriamanitra izay efa nosihosen’izy ireo . Asehon’ny Tompo eto koa fa vonona ny hamindra fo sy hanadio ny olony Izy , tsy noho ny amin’ izy ireo anefa fa noho ny fahamasinan’ny Anarany lehibe.

2-Tsy avelany hamavoina ny Anarany (and 36,38)

« …ka dia ho fantatry ny Jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana . Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany , ka dia fantatra fa Izaho no Jehovah« . Matoanteny ampiasaina matetika eto ny hoe: « ho fantatra » . Mivoitra ao anatin’izany ny fampibaribarian’Andriamanitra amin’ny olony fa tsy Andriamanitra resy akory Izy , fa manana fahefana hanorina indray ny efa rava rehetra ka mitaky fibebahana amin’ny olony . ary koa ataon’ny Tompo fantatry ny jentilisa fa manana Andriamanitra ny taranak’Israely dia Andriamanitra mahery , Tompon’ izao rehetra izao

Fanontaniana :

Ahoana no fandraisanao ny hoe: saro-piaro amin’ny Anarany masina Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM