Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Isaia 11:1-5
1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; 2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny; 4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony

Sahia mitory ny fahamarinana

Isaia 11:1-5

Ny fitsarana marina

1 – Mampiavaka llay Andriamanitra marina

« Ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy na hampiaiky araka izay ren’ny sofiny » (and. 3b). Ny fitsarana ataon’ny olona no mitsara ivelany fa ny Mpitsara marina, dia Jesoa Kristy rehefa hiseho eny amin’ny rahona amin’ny heriny sy ny voninahiny Izy (Apo. 19:11). Hitsara ny olona araka ny asany izy, mandinika ny fo sy ny voa ary mahafantatra ny alehan’ny olona tsirairay. Tsarainy amin’ny nataontsika isika. Marina Izy ary ny Teny Fahamarinana avy amin’ny vavany no hanehoany ny fitsarana marina hataony. Aoka hoentintsika eo amin’ny Tompo ny ady atrehantsika.

2 – Maneho llay Andriamanitra fahamarinana.

« Fahamarinana no ho fisikinany ary fanahy mahatoky no ho fehin-kihony » (and. 5). Ny hery sy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany dia nomen’Andriamanitra Ray an’i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika. Izy dia nanambara ny Tenany hoe: Fahamarinana» (Jao. 14:6) satria tonga tamin’ny alalany ny fahamarinana (Jao. 1:17). Manota ny olona rehetra kanefa izay tonga miaiky ny fahotany eo anatrehan’ny Tompo Mpitsara marina dia mahazo famelan-keloka (I Jao. 1:9). Aoka hanetry tena sy handefitra isika.

Fanontaniana :

Efa nentinao hotsarain’ny Tompo Jesoa ve ny adinao sa nitady mpitsara hafa ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM